Fandriampahalemana

Boulevard de l’Europe Ankasina Mpanendaka 4 indray no tratra


  • Alarobia 21 Jolay 2021

Tratra teny amin’ny faritra 67ha iny ny andian-jatovo miisa efatra mpanendaka eny amin’ny lalam-baovao Boulevard de l’Europe Ankasina. Voakasik’izany avokoa ireo mpandeha an-tongotra eny amin’ny Madinox, lavage Ankasina

…. Tsy mifidy ora izy ireo fa na maraina, na atoandro dia manao ny asa ratsiny hatrany. Ho an’ny hariva dia manomboka amin’ny 6 ora ka hatramin’ny 9 ora alina no fanatanterahan’izy ireo ny asa ratsiny. Taorian’ny fikarohana nataon’ny Polisy dia fantatra ny anaran’izy ireo sy ny toerana misy azy izay eny amin’ny faritra 67ha ihany. Tovolahy iray moa no sarona ny marainan’ny 17 Jolay lasa teo ka nanoro ny namany roa hafa izay mipetraka eny amin’ny manodidina ihany. Fantratra fa alohan’ny hanaovan’izy ireo ny asa ratsy dia mifoka rongony izy ireo. Efa mpamerin-keloka ny roa izay vao nivoaka ny fonja ary resaka fanendahana hatrany no nandefasana azy tany. Ny iray tamin’ireto tovolahy ireto kosa dia voasambotra ny 17 jolay teo raha saika hangalatra lamba teo an-davarangana teny amin’ny faritra 67ha hatrany. Roalahy izy ireo no niezaka nitsambikina hiditra ny trano ary nihevitra ny haka ireo lamba miahy . Noho ny tsikariny fa nisy olona hivoaka dia niezaka niafina tao anaty trano fidiovana izy raha tafaporitsaka kosa ny namany hafa . Tsikaritry ny tompon-trano izany ka niantso polisy avy hatrany izy ireo ary norasim-potsiny ilay lehilahy. 19 ka hatramin’ny 25 ny salan-taonan’izy ireo. Natolotra ny fampanoavana ny 19 Jolay lasa teo izy ireo ary efa naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT