Fandriampahalemana

Bevalala Miha mahazo vahana ny fanendahana


  • Talata 20 Oktobra 2020

Vehivavy mpianatra iray nanovo fahalalana ao amin’ny« Centre professionnel » an-dry mopera eny Bevalala no voendaka niaraka tamina lehilahy iray 25 taona nitondra bisikileta ny 15 oktobra teo teny akaikin’ny kianja filalaovam-baolina.

 

 

Miisa efatra ireo mpanendaka izay mody manatona moramora ireo olona roa lasibatra ka ny roa nanampina avy hatrany ny vavan’ilay nokendrena ary ny roa kosa naka ny entana.Very tamin’izany ny findain’ilay vehivavy izay mitenti-bidy 250.000Ariary. Toy izany ihany koa ilay lehilahy mitaingina bisikileta. Lasan’izy ireo tamin’izany ilay kodiaran-droa ary nirifatra nilefa izy ireo. Niantso Polisy avy hatrany ireo niharam-boina. Raikitra ny fifanenjehana nandritra izany ka tavela ilay bisikileta raha lasan’ireo namany telo ilay findain’ilay vehivavy. Ny Sabotsy teo no tratra teny Anosimahavelona,Ampitan’ny fasan’ny karana ny lehilahy roa hafa izay tena nandray anjara tamin’izany fanendahana izany. Tafiditra ao anatin’ilay Bande de 4 izay mpampihorohoro ny mponina eny Atsimondrano izy ireo raha araka ny fantatra. Pati Legende : Santionany tamin’ireo tratra

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT