Fandriampahalemana

Betroka sy ny manodidina Fiarahamonina ifotony tsy voafehy no mahatonga ny korontan-dava


  • Alatsinainy 13 Janoary 2020

Laharam-pahamehana ao Betroka ary efa nodradradradrako hatramin’ny taona 2007 fony aho tsy ben’ny tanàna fa tsy handroso

 

 

mihitsy iny kaominina iny sy ny distrika iray manontolo raha tsy mivaha ny tsy fandriampahalemana, hoy ny ben’ny tanàna vaovao ao an-toerana, Adjad Ridji Razafindrazanaka. Io no mila vahana voalohany. Mbola misy mponina mandry tsy lavo loha ao Betroka na dia efa mandray andraikitra aza ny fitondram-panjakana sy ny OMC ao an-toerana. Tsy voafehy ny fiarahamonina ifotony, izany hoe, misy fiarahamonina kely dia kely fa miitatra mahatonga fakana takalon’aina, halatr’omby, valifaty na “reglement de compte”. Kaominina ambanivohitra mifanila antsoina hoe Ianabiana izao nodoran’ny dahalo ny tanàna iray manontolo. Fifamaliana kely fotsiny anefa dia 40 lahy no tonga nandoro tanàna. 50 tafo mahery  no nodoran’izy ireo rehefa manafika ary alainy daholo na sakafo na akoho na omby. Fiarahamonina simba sy tsy voalamin’ireo sefo fokontany na ben’ny tanàna miampy ny fisian’ny kolikoly no mahatonga ilay tsy fandriampahalemana. Mila imasoana voalohany ny ady amin’ny kolikoly sy fandrindram-piarahamonina, noho izany, hoy hatrany ny fanazavany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT