Fandriampahalemana

BETROKA Nisy namaky ny vala nanagiazana ireo omby halatra


  • Talata 30 Jolay 2019

Nisy nikasa hiditra an-keriny ny toerana nanagiazan'ny kaominina ireo omby azo avy any Soahazo Mangalahy. Ny sabotsy lasa teo no tsikaritra fa nisy nanapitsoka ny toerana nitazonan’ny kaominina Betroka ireo omby saron'ny zandary ireo.

 

 

 

Na izany aza, tsy nisy very ireo omby nogiazana ireo. Ireo mpiray tendro tamin'ireo dahalo lavo ihany no voalaza  fa saika haka ny omby. Efa nisy moa ny famerenana ny ampahany tamin'ireo omby 329 ireo tamin'ny tompony izay niarahan'ny avy ao amin’ny  fitsarana sy ny kaominina ary ny zandary taorian'ny fanadihadiana nataon'ireto farany tamin'ireo nilaza ny ho tompony.  Ankehitriny dia efa nandray fepetra manokana ny eo anivon'ny kaompanian’ny zandarimariam-pirenena ao Betroka hanamafisana ny fiambenana ireo omby sisa tavela izay mbola haverina amin’ny tompony. Nanamafy avy hatrany ny hidim-bavahady ny tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina izay notarihin’ny Ben’ny tanàna tamin’ny alahady teo.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT