Fandriampahalemana

Betroka Dahalo 8 maty voatifitry ny zandary


  • Sabotsy 26 Janoary 2019

Nangotraka ny zava-nitranga tany amin’ny distrikan’i Betroka, Faritra Anosy ny alakamisy alina lasa teo.

 

 Dahalo miisa valo namaky  tranombarotra  mpamongady iray no maty voatifitry ny zandary ka nitsirara eran’ny tanàna ny fatiny.  Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana dia enta-madinika avokoa no lasan’izy ireo tamin’izay. Tsy naharitra ela anefa ny zandary fa tao anatin’ilay asa fangalarana mihitsy no niditra an-tsehatra izy ireo. Raikitra ny fifampitifirana, tranga niseho nanomboka tamin’ny 12 ora alina ka hatramin’ny 7 ora maraina. Nanamarika ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena fa mbola hohatevenina hatrany ny ady amin’ny asan-dahalo tahaka izao eto amintsika. Ho an’ireo zandary  mandeha amin’ireny faritra mena toa an’i Betroka ireny, ohatra, dia nambaran’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena vaovao ny jeneraly Ravalomanana Richard fa izy ireny no hahazo ny fampiakarana galona voalohany sy ny fanomezana “indemnité”.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT