Fandriampahalemana

Betioky Atsimo Mamono olona sy mandoro trano ny dahalo


  • Talata 22 Septambra 2020

Mirongatra ny tsy fandriampahalema any amin’ny Fokontany Besavoa, kaominina ambanivohitra Vatolatsaka, distrikan’i Betioky Atsimo. Nitrangana asan-jiolahy mahery vaika indray tao amin’ity Fokontany ity ny herinandro lasa teo.

 

 Mamono olona mihitsy ireo jiolahy ka iray no namoy ny ainy teo noho eo raha 06 maratra mafy ka voatery manaraka fitsaboana ao amin’ny CSB II Vatolatsaka. Mbola miady amin’ny fahafatesana kosa ny izay voatery nalefa any Bezaha mba hanavotana ny ainy. Omby 80 no lasan’ireo dahalo nandritra ity fanafihana ity ankoatra ny trano izay nodoran’izy ireo. Tsy mandry an-trano intsony ny mponina noho izany, indrindra fa ny alina ho fiarovana ny ainy. Aleon’izy ireo mandry any an-tsaha hisorohana ny ra latsaka sy ny aina mety hafoy indrindra fa ho an’ireo manohitra ny fandrobana ny fananany.

Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT