Fandriampahalemana

Beravina Morafenobe Avotra ireo mpianaka nataon'ny dahalo takalonaina


  • Alatsinainy 24 Aogositra 2020

Avotra ireo takalonaina miisa roa, tafaverina avokoa ny omby telo voaroba. Notafihin’ny dahalo mirongo basy tao Mahavelona Fokontany Ampoza Beravina ny harivan'ny 20 aogositra 2020.

 

 

 0mby miisa telo, lamba sy firavaka sarobidy ary vola mitentina enina hetsy Ariary no norobain'ireo dahalo tamin’izany ary naka takalonaina roa izy ireo hampihorohoroana sy hanakanana ireo mpanaradia. Nanao ara-dia avy hatrany ny Zandary avy ao amin’ny « Poste Avancé » Ankalalo, nitarika ireo Fokonolona tany an-toerana. Nisy ihany koa Zandary avy ao amin’ny kompania Morafenobe niainga tao Beravina hamonjy ny kizo tany Ankaramenabe ary nanao toy izany koa ny zandary tao Akondromena sy ny Tafika ZRPS hisakanana ireto dahalo ireto tao Ambonara sy hamonjena ny takalonaina. Ny zoma 21 aogositra maraina vao tratra tao Mamoladahy Marotahalaka any Soaloka Distrikan'i Miandrivazo ireo dahalo. Nisy avy hatrany ny fifampitifirana ka vaky nandositra ireo dahalo. Avotra soa aman-tsara ireo takalonaina roa toy izany koa ireo omby halatra telo.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT