Fandriampahalemana

Beravina Analavory Dahalo 16 namono mpivarokena


  • Alakamisy 28 Martsa 2019

Efa-bavy tamin’ireo 16 no voasambotry ny zandary tao Beravina, Analavory, distrikan’i Miarinarivo, ny talata 19 martsa 2019 lasa teo. Famonoana mpivarokena iray sy ny vadiny nitranga ny hariva tokony ho tamin’ny 7ora sy fahahefany no antony nisamborana azy ireo.

 

 

 

  Araka ny fampitam-baovaon’ny zandary, namono omby maromaro ka nijanona hariva izy mivady niandry ny hena ho lany.  Rehefa nandeha izy ireo no nisy nandrahona hoe "aiza ny vola ?".  Nanapoaka basy ireto olon-dratsy ary nitifitra rehefa tsy nanome ny vola ka teo amin’ny kibony sy ny foto-tsofiny havanana no voa. Avy hatrany dia nomen'ilay vehivavy vadiny kosa ny vola mitentina 9.000.000 ariary rehefa nahita ny fahavoazan’ny vadiny izy.  Nandre ny poa-basy ny zandary ka namonjy ny toerana nitrangan’ny fanafihana saingy tsy tratra ireo olon-dratsy. Ny mpitandro filaminana sasany nitondra ny maratra teny amin’ny hopitaly ary ny hafa kosa nanenjika ireo jiolahy.  Ny maraina tamin’ny 3ora no tratra ny 4 ka ny 3 dia  lehilahy ary vehivavy ny iray. Nanamarina ilay vadin’ny maty fa nisy tamin’ireo jiolahy voasambotra no tsaroany ny endriny. Tamin’ny fanadihadiana nataon’ny zandary no nahalalana fa nisy “puce” nampiasain’ireto  jiolahy mba hifandraisany tamin’ireo namany ka io no nampiasaina nanaovana vela-pandrika hisamborana ireo namany hafa. Ny alakamisy 21 martsa no voasambotra ny 4 hafa. Rehefa niroso ny fanadihadiana sy ny fikarohana, tafakatra 16 ny voasambotra ka vehivavy ny 4 ary ny 9 tamin’ireo no nandray anjara mivantana fa ny 7 kosa dia firaisana tsikombakomba. Ny zandarimariam-pirenena dia manentana hiantso avy hatrany ny laharana maitso 119 raha misy tranga mampiahiahy.

Haja Nirina

 

.          

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT