Fandriampahalemana

Belo-sur-mer Zandary iray lavon’ny balan’ny dahalo


  • Zoma 12 Martsa 2021

Zandary iray kilasy ambony faharoa (GP2C), niasa tao amin’ny kaompania

 

 

 Morondava no fantatra fa lavon’ny balan’ny dahalo, teo anelanelan’Antsira sy Ambararata, kaominina Belo-Sur-Mer, distrikan’i Morondava omaly maraina. Raha araka ny fantatra dia 10 lahy izy ireo no niaraka tamin’ny ben’ny tanàna handeha hanatanteraka fisamborana jiolahy hoy ny vaovao kinanjo tifitra variraraka no nitsena azy teny an-dalana. Niverin-dalana namonjy ny ainy moa ireo namany taorian’izany no sady namaly tifitra ihany. Na izany aza anefa dia tsy tratra ihany ny ain’ity zandary ity raha vantany vao tonga tao amin’ny CSBII Ambararata izy ireo. Nahatratra 2 araka izany hatramin’izao ireo zandary lavo tany an-toerana tato anatin’ny iray volana. Raha araka ny fantatra moa dia voan’ny bala ihany koa ilay Ben’ny tanàna.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT