Avotra soamantsara ilay tovovavy 22 taona nataon'ny andian-jiolahy, mitam-piadiana takalon'aina nanafika tao Anandrobe kaominina ambanivohitra Bejofo distrik’ Ambatondrazaka ny alin’ny 05 Oktobra teo.
Jiolahy miisa sivy no nanafika tamin’izany raha tsiahivina ka vola 5 hetsy Ar sy finday miisa telo no lasan'izy ireo. Ankoatra izay dia nentin'izy ireo natao takalon'aina ny tovovavy iray zanaky ny tompon-trano.Vao naheno ny poa-basin'izy ireo, anefa ny zandary tao amin'ny toby tsy lavitra ny fanafihana dia nihetsika. Raikitra ny vonjitaitra sy ny farahan-dia, nampian’ny fokonolona sy ireo zandary tao Vohidiala efa nanao sakana. Novitsotri’ireo jiolahy tao Anandrobe ilay tovovavy kely araka izany noho ny tahotr’izy ireo ny hisian’ny fifandonana mahery vaika. Efa tafaverina eo anivon’ny fianakaviany moa ity farany raha mbola mitohy kosa ny fanarahan-dia ireo dahalo, hatramin’ny omaly fotoana nanoratanay.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.