Fandriampahalemana

Behoririka Novonoin'ireo mpiasa ilay Sinoa


  • Alatsinainy 31 Janoary 2022

Mpiasa 3 mianadahy amin’ny toeram-pivarotana ana tera-tany Sinoa iray etsy Behoririka no nahavita namono nahafaty ny mpampiasa azy ny sabotsy 22 Janoary lasa teo.

 Nofitahin’izy ireo nasainy nankao amin'ny trano fitoeran'entana ilay sinoa, ka tao no novonoin'izy ireo sy nanamparany ny heriny. Nataony tao anaty gony lehibe ny fatiny taorian’izany ary nampitondrainy sarety ny razana ka nariana teny Ampitatafika Atsimondrano. Nanararaotra ny oram-be tamin’iny herinandro efa nivalona izy ireo raha araka ny vaovao azo hatrany. Lasan'izy ireo avokoa ny vola rehetra tao amin'ilay sinoa mpampiasa azy nandritra izany. Taorian'izay dia niroso tamin'ny fanadihadiana sy fikarohana ny mpitandro filaminana, ka tamin'izay no nahafantarana fa ireo mpiasan'ilay sinoa 3 ihany no namono nahafaty azy. Nasain'ny Polisy nanoro ny toerana nanarian'izy ireo ny fatin'ilay sinoa moa izy 3 mianadahy ka ny Alakamisy 27 janoary teo no hita teny amin'ny toerana notondrony ilay razana izay mbola nifatotra scotch no sady tao anaty gony. Hiakatra fampanoavana tsy ho ela ity raharaha ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Santionany tamin’ilay mpiasa sy ilay razana nataony tao anaty gony
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT