Fandriampahalemana

Basy tsy ara-dalàna Amin’ny 20 jona no fe-potoana hanaterana azy


  • Alarobia 08 Mey 2019

Nanamafy omaly talata 7 mey ny minisitry ny fiarovam-pirenena ny jeneraly Leon Rakotonirina fa manana hatramin’ny 20 jona 2019 ho avy izao ireo olona manana fitaovam-piadiana tsy misy taratasy ara-dalàna mba hanatitra ny azy eny amin’ny mpitandro ny filaminana.

 

 

 

Tsy misy ny arakaraka, hoy izy. Natao izao hetsika izao mba hametrahana ny fandriampahalemana eto amin’ny tany sy ny fanjakana.150 basy tsy nisy taratasy no voaangona manerana an’i Madagasikara ny faran’ny taona 2018 ka hatramin’ny fiandohan’ny volana mey. Fanapahan-kevitra avy amin’ny filoham-pirenena moa izao fanitarana izao indray ny fahafahana manatitra ireo fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna. Misy karazany ny basy dia ny sokajy voalohany izay ambara fa fitaovana fiarovan-tena sy ny sokajy faharoa izay fitaovam-piadiana mahery vaika. Tsy maintsy atao isan-taona ny fanavaozana ny taratasy momba ny fihazonana ny basy, ary tsy mantsy manana taratasy fahazoan-dalana ny mpihazona basy. Tsy tokony hanana basy mahery vaika sokajiana ho “arme de guerre” tahaka ny Kalachnikov sy ny MAS 36 ny sivily araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Tsy maintsy giazana ireo basy tsy ara-dalàna ,hoy hatrany ny fanazavana. Mitohy ny fametrahana ny filaminana sy ny fandriampahalemana ary miasa andro aman’alina ny mpitandro filaminana. Niaiky moa omaly ireo lehibe fa tena misy ny mpitandro ny filaminana miray tsikombakomba amin’ny jiolahy ary efa nisy naiditra am-ponja izy ireny.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT