Anisan’ny olana ao amin’ny kaominina Manambolo distrikan’i Maroantsetra tao anatin’izay fiakaran’ny vidin’ny vokatra fanondrana lavanila izay, ny resaka tsy filaminam-bahoaka amin’ny fampiasan’ireo andian-jiolahy basy amin’ny fanafihana ataony.
Vao naharay vaovao tamin’ny mponina tao amin’ny kaominina iadidiany ny ben’ny tanàna tany an-toerana dia avy hatrany nampandre ny zandary tao Maroantsetra. Vao naharay ny vaovao koa ireto zandary dia tsy niandry ela fa avy hatrany dia nijery ifotony ny zava-nisy ny 18 febroary 2018 lasa teo ary nanao izay fomba rehetra nahatrarana an’ingahy Ratianarivo sy ny basy PA vita gasy amidiny. Tratra ambodiomby tsy afa-nihetsika izy nandritra ny fisamboran’ny zandary izay nahatrarana basy PA vita gasy 4 teny aminy ary izy ihany no nanoro ireo namany ao amin’ny kaominina Ankofabe izay nametrahana basy miisa 8 hamidin’izy ireo. Nidina tany amin’ity kaominina ity koa ny zandary tao Maroantsetra nikaroka ireto olona ireto sy ny basy tany aminy, ka tratra avokoa mbola niaraka tamina bala “calibre 12” miisa 8. Nandritra ny fakana am-bavany azy efa-dahy ireto no nahalalan’ny zandary, araka ny fanazavan’ny GPHC Tefinanahary lehiben’ny zandary ao Maroantsetra, fa amidin’izy ireo 600.000 ariary ny basy iray ary 20.000 ariary kosa ny bala “caliber 12” fampiasa aminy. Nambaran’ity lehiben’ny zandary ity ihany koa fa hentitra izy ireo amin’ny fampiharana ny lalàna ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany, nefa azon’ny olona tsirairay ny mangataka ny hitana basy saingy ny lalana mifandraika amin’izany izay tsy maintsy arahina, ary afaka manatona azy ireo ireo tantsaha sy ireo mpanangom-bokatra te-hiazona izany.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.