Tsy dia heno na tsy nisy tohiny hatreto ny momba ny raharaha fahitana bala miisa 10 900 tamina vata vy miisa 8 hita tamina trano iray teny Analakely ny 16 febroary lasa teo.
Voalaza fa efa nisy ny olona nofotorana sy nanaovana fanadihadiana, saingy tsy mbola nisy kosa aloha no notanana. Toa mitandrintandrina ny mpitandro ny filaminana eo anatrehan’ity raharaha ity, ka tsy hay na hisy marina hivoaka na hikatona hatrany toy ny raharaha goavana maro samihafa efa nisy teto. Raha ny fikaroham-baovao tsotsotra kosa dia voalaza fa mpandraharaha karana tompona orinasa anisan’ny nalaza ho nanohana ny fanjakana tetezamita no efa nampiasa ny trano nahitana ireo bala ireo, ka tsy hay na misy ifandraisany na tsia. Afera goavana sy mety hidiran’ny politika maloto ity raharaha ity. Bala fotsiny aloha ireny hita ireny. Azo heverina fa nisy ihany koa ny basy saingy iny aloha no tratra sy hita. Mifangaro amin’ny raharaham-pirenena toy ny krizy nifanesy ihany koa ity resaka fitaovam-piadiana miparitaka ity. Raha ny tamin’ny krizy 2001-2002 fotsiny, ohatra, dia voalaza fa hatrany amin’ny 250 000 ny bala nampidirina teto, saingy 65 000 sisa hita rehefa natao ny fanangonana sy fikarohana taorian’ny krizy. Tsy azo iadian-kevitra ihany koa ny fisian’ny olona mampiditra fitaovam-piadiana an-tsokosoko eto amintsika. Tsy ny olon-drehetra no afaka manao afera tahaka ireny, fa tsy maintsy olona ambony na manampahefana eo anivon’ny mpitandro filaminana. Anisan’ireny ny raharaha fahitana “chlorate de sodium” milanja 210 kilao, voalaza fa saika hanamboarana bala hampiasain’ny dahalo, ka olom-boafidy iray no voatonona ho tompo’antoka. Tsy misy tohiny anefa ireny fa dia mangina hatrany ny raharaha noho ny tsindry bokotra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.