Fandriampahalemana

Asan-jiolahy, trafika tao anatin’ny iray volana Fitaovam-piadiana an-jatony, rongony 1000 kg no tratra


  • Alatsinainy 11 Martsa 2019

Nampiseho ny hangingany ireo mpitandro filaminana amin’ny fahatratrarana manara-penitra nyrongony, sokatra ary fitaovam-piadiana mahery vaika. Rongony amin-taonina no tratran’ny

 

 

 

 

 

mpitandro filaminana nandritra ny herinandro vitsy. Zava mahadomelina 400 kg indray mantsy no vao tra-tehaky ny Zandarimariam-pirenena tany Ambalasoa, Betroka, tamin’ny 10 ora atoandro, ny 8 martsa teo. Raha vao nahatsikaritra ny mpitandro filaminana ireo olon-dratsy, lasa nitsoaka. Nodoran’ny zandary teo anatrehan’ny manam-pahefana tany an-toerana izany. Efa nahatratra aman-taonina, mihoatra ny 1 000 kg raha ny zava-mahadomelina azo tato ato. Isan-kerinandro, zava-mahadomelina an-jatony kilao no tratra tahaka ilay rongony iray kamio tany Ihosy tapabolana lasa izay, miampy ireo nongotana tamin’ny saha anaty tamboho tao Ambatolampy, ary ireo tamin’ny gony tany Mahajanga. Mazava ankehitriny fa ny rongony no idorohan’ireo jiolahy ka andrimpahany amin’ny fitaovam-piadiana ny tafihiny tahaka ny famonoana ireo alaina an-keriny toy ilay teratan karana teo Tanjombato sy ilay ankizy tany Maevatanana.Karazany maro ireo fitaovam-piadiana tra-tehaka, manomboka amin’ny hareza fandidiana poketra,ny antsy tsotra hatramin’ny ny antsibe fanapahan-doha an’ny “sezara” sy ny sabatra, ary ny fitaovam-piadiana tahaka ny basim-borona sy ireo “made in Madagascar” natao safiotra nampivadiana tamin’ireo fitaovam-piadiana vahiny hatramin’ny “calibre 12”. Mampalasa saina ireo mpanara-baovao ihany koa ireo fitaovam-piadiana nafarana izay kely fa mahery vaika sahala amin’ilay poleta Italianina nasehon’ny polisy ny mpanao gazety, ny alakamisy. Teo koa ilay marika UZI vita Israelianina latsaka nandritra ny fanafihana teo Andoharanofotsy, tamin’ny talata alina izay nalaza niaraka tamin’ilay polisy nosamborin’ny zandary.

 

Nirongatra ny trafika

 

Noho ny ezaka fanadiovana nataon’ny Zandarimariam-pirenena, sy ny fisehoana ho hitan’ny olom-pirenena notanterahin’ny Polisim-pirenena, ary ny fahavononan’ny Tafika hanatevina ny mpitandro filaminana, indrindra amin’ny faritra mena nandritra ny Fitondrana izay vao nijoro roa volana latsaka izay dia manao sesilany ny harem-pirenena tratry ny velam-pandrika tahaka ireo sokatra saika aondrana an-tsokosoko. Tsy vao izao anefa no nahitana izany trafika ana basy, rongony ary harem-pirenena izany, fa noho ny tambazotran-tserasera sy ny haino aman-jery dia mahazo vahana ny lazany. Ao koa ireo tanana zatra mitsotra ka lasa manasoketa ny Fitondram-panjakana vao mijoro. Mahatalanjona ny mpanara-baovao kosa anefa ny firongatr’izany tafahoatra tato ato.

 

Haja Nirina

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT