Mirongatra ny asa fanafihan-dahalo ao anatin’ny kaominina Fieferana, distrikan’Antananarivo Avaradrano.
Tokantrano maromaro tao anatina tamboho iray mifefy indray no lasibatra ny alatsinainy alina teo tao amin’ny Fokontany Ambohitrinandriana, kaominina Soamanandray. Dahalo 8 lahy tsy misaron-tava raha ny loharanom-baovao no tonga nanafika azy ireo. Lasany tamin’izany avokoa ny vola rehetra tao amin’ireo tokantrano ireo, izay marihina fa mpihavana avokoa. Anisan’ny lasibatra tamin’izany ny zatovo iray manomana mariazy izay marihina fa tsy manana tahiry intsony. Tetezin’ireo dahalo ny isa-trano ary nambanany tamin’ny sabatra avokoa izay rehetra nolalovany, raha ny fantatra hatrany. Na izany aza anefa dia nijanona teo ny tantara. Olona mianaka ihany koa mantsy nalain’ireo dahalo an-keriny mba hanoro azy izay toeram-pivarotana mety hisy vola tao an-tanàna. Naolany avy hatrany anefa izy mianaka kely ireto ka ho an’ilay zazavavy kely izay mbola virijiny dia fantatra fa potika tanteraka ny fahadiovany. Teo imason’ilay Raim-pianakaviana no nanaovan’ireo tsy mataho-tody izany. Voatery naiditra hôpitaly etsy Befelatanana manaraka fitsaboana moa izy mianakakely ireto. Ity no fanafihana fanin-diminy nitranga tao Fieferana tato anatin’ny efa-bolana, raha ny fantatra. Efa mandray ny andraikiny manetsika ireo vatan-dehilahy feno 18 taona rehetra manao asa fiambenana ao an-tanàna moa ny kaominina amin’izao fotoana izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.