Fandriampahalemana

Asan-jiolahy any Toamasina Saron’ny polisy ireo basy mahery vaika


  • Alatsinainy 11 Febroary 2019

Manao ny ainy tsy ho zavatra ny polisim-pirenena Toamasina ho fampandriana fahalemana ny tanànan’i Toamasina amin’ny fanafiana mitam-piadiana sy ny fakana an-keriny ary ny vaky trano sy ny sinto-mahery.

 

Ny zoma teo, tokony ho tamin’ny 12ora antoandro dia saron’ny polisin’ny boriborintany voalohany ao Tanambao I ireo efa-dahy mpanafika entana halatra sy basy fampiasan’ireo jiolahy ao Toamasina tao Tanambao Verrerie am-paran’ny godorao Ambalakisoa. Sarona tamin’izany ny basy kalaky telo sy ny balany miisa 122, basy PA iray sy ny balany 31 ary sabatra telo niaraka tamin’ireo entana halatra niampy ireo ody gasy fiarovan-tenan’ireo andian-jiolahy. Manan-tantara ireto bala tratra ireto satria raha ireo bala na kalaky dia anisan’ny hita tamina ambina bala nahafaty an’ilay polisy teo am-pidirana ny vavahady tao Tanamborizano ny 6 janoary teo ny laharana tamin’izay mitondra ny “OG 81”; ireo bala na PA kosa dia hita nandritra ilay famonoana ilay tovolahy tao Tanambao V tamina bala efatra sy naharatrana ilay ramatoa tamin’ny feny tao Tanambao I ny ambin’ny bala mitondra ny laharana “SF 82”; ireto basy kalaky sy PA ary bala ireto izay saika ana mpitandro ny filaminana avokoa saingy tsy fantatra ny toerana sy ny olona ary ny toby mety namoaka azy hatreto ary ireo fakana an-keriny sy fanafihana mitam-piadiana teto Toamasina dia saika ireo bala kalaky sy bala na PA ireo avokoa no hita mandritra ny fanapoahana basy ataon’ny andian-jiolahy. Misy efatra ny tratra izay vehivavy ny telo ary vao teraka iray volana ny iray. Mbola hifampitadiavana izay hangatahan’ny polisy fiaraha-miasa amin’ny fanomezam-baovao ny efatra ambiny izay tena andian-jiolahy, ka efa nisy ny fanapariahana ny sarin’izy ireo. Anio no hiakatra fitsarana izy efatra mianadahy efa tratra tamin’izao raharaha izao.

 

Rakoutou

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT