Malaso iray no lavon'ny balan'ny miaramilan’ny DAS mampandry fahalemana any amin'ny distrikan'i Mampikony ny 26 mey lasa teo.
Dahalo am-polony izy ireo no nanafika ny fokontany Antsakoamaro, kaominina ambanivohitra Mampikony II disitrkan'i Mampikony ny alin'io 26 mey io. Omby an-jatony no lasan'izy ireo. Natao ny fanarahan-dia sy ny fanakanana ireo kizo rehetra noheverina fa handalovan'izy ireo miaraka amin'ny omby, tsy ela dia nifanena ary raikitra ny fifandonana ka malaso iray no maty voatifitra ary miaramila iray kosa naratra mafy. Sarona ny basy « mas 36 » iray sy basimborona iray.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.