Fandriampahalemana

Asan-dahalo tany Alarobia-Bemaha Omby 20 tamin’ny 29 no tafaverina


  • Talata 19 Jona 2018

Nitrangana asan-dahalo indray tany amin’ny kaominina Alarobia-Bemaha ny alin’ny alahady hifoha ny alatsinainy 18 jona 2018, tao amin’ny toerana antsoina hoe Ampasatokana fokontany Ambohijafy, kaominina Bemaha Betafo.

 

 Ty mbola alina loatra no nahatongavan’ireo dahalo niisa Roapolo, nirongo fitaovam-piadiana tao an-tanàna ka omby niisa 29 no lasan’izy ireo. Tsy nanohitra ireo mponina saingy rehefa lasa ireo dahalo dia nifamory ny mponina ka niantso zandary avy hatrany. Ny alin’ny alatsinainy tokony ho tamin’ny 11 ora alina dia nahazo antso ny zandary ka nidina avy hatrany tany an-toerana nanatevina ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny fokonolona. Tafaverin’ny fokonolona sy ny zandary ny omby 20, satria raikitra ny fifandonana teo amin’izy ireo sy ny dahalo. Ankoatra izay dia azo antoka fa nisy dahalo iray naratra ihany koa nentin’ireo namany nitsoaka saingy tavela kosa ny basy vita gasy iray nampiasainy. Mbola mitohy ny fanarahan-dia ireo dahalo amin’izao fotoana, manaraka ireo omby 9 hafa sy ireo dahalo.

Caius R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT