Mahonena ny mandre ny fitarainan’ny vahoaka any ambanivohitra any amin’ny afitsoky ny jiolahy sy ny dahalo.
Seho ivelany aloha no betsaka, hoy ny fanehoan-kevitry ny olona momba fihetsiky ny mpitandro ny filaminana, toy ilay “demonstration dynamique” teny Mahamasina ny 20 jona lasa teo. Ny 26 jona ihany koa dia niaraha-naheno ny fitsanganan’ny “Hery manokana” hiady amin’ny dahalo sy ny fakana an-keriny, saingy mbola eo am-pandrindrana asa angamba. Tsy ny Karàna irery intsony no lasibatra fa hatramin’ny Malagasy, raha ny resaka fakana an-keriny. Tany Malaimbandy, ohatra, dia mpampianatra sy ny zanany no niara-nalaina an-keriny ny 7 jolay, ka navotsotra ilay zanany, ary nitaky 4 tapitrisa ariary ho sandan’ny famelana ilay rainy ireo olon-dratsy. Nisy naka an-keriny indray ny olona 6 hafa andro vitsy taoriana, ary apetaky ny jiolahy eny amin’ny talaky maso ny soratra misy ny laharan’ny finday handefasana ny vola. Mbola azo ekena ihany ve hoe efa ny mpamboly na ny mpiandry omby eny an-tsaha no halaina takalon’aina hitakiana volabe ? Inona no tsy hanetsehana ny tafika hiady amin’ny dahalo sy ny mpaka an-keriny ? Aiza ary izao ilay fanambarana mipoapoaka nataon’ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana ? Tsy ny vola sy ny fitaovana no tokony ho olana fa ny finiavana no maivana satria raha ny vola lany tamin’ny kolikoly, toy ny tamin’ny depiote voalaza fa nandaniana 3,9 miliara sy ny maro hafa no mitambatra efa nahazoana angidimby maro.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.