Tontosa ny 26 ka hatramin’ny 28 jolay ny tsenabe “Zemona 2” sy ny “Festamania 5” tao amin’ny Faritra Amoron’i Mania, entina hampiroboroboana ny toekarena sy ny fizahantany any an-toerana.
Nasongadina tao ny hasin’ny foko Zafimaniry. Nisy ireo hetsika maro, toy ny kaonferansa samihafa, hetsika ara-kolontsaina, fanokanana ny kianja « Savika » izay kolontsaina ara-panatanjahantena any amin’ny Faritra, ary ny mozea tao Ambositra teo aloha. Nitarika izany ny praiminisitra Ntsay Christian sy ireo mpikambana vitsivitsy ao amin’ny governemanta, nahitana ny minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Razafimahefa Tianarivelo, ny minisitry ny fampianarana ambony, Rasoazananera Marie Monique, ny minisitry ny fanajariana ny tany, Razanamahasoa Christine ary ny solontenan’ny minisitry ny fiarovam-pirenena, izay nifanome toky fa na ao anaty antoko politika samihafa aza, dia nifanome tanana hampandroso ny toerana niaviany, ary hampandroso an’i Madagasikara. Tamin’ny fanokafana lehibe, dia nisy ny lahadinika natao tao amin’ny « Espace Andry », izay nifanakalozan-kevitra nijerena ireo olana sy vahaolana mifandraika amin’izay, ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania, toy ny tsy fandriampahalemana, ny asan-dahalo,... Nahatratra 200 ireo omby very, ankoatra ireo olona maty sy naratra ary tao koa ny fakana an-keriny. Tsy tokony hailika amin’ny mpitandro ny filaminana, hoy ny praiminisitra, ny resaka fandriampahalemana fa mila mandray andraikitra ny tompon’andraiki-panjakana, ho mendrika eo amin’ny fitondran-tena, tsy hiray tsikombakomba sy hanao kolikoly amin’ireo mpangalatra omby. Nambarany ihany koa fa tsy tokony hitanila ary ho lavitry ny kolikoly ny fitsarana. Mila fanaraha-maso ny fitoriana ireo olona heverina ho mpiray tsikombakomba amin’ny dahalo koa ny rehetra. Paik’ady apetraka, hoy ny solontenan’ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny fametrahana ny vondron-toby manerana ny nosy, indrindra amin’ireo faritra mena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.