Nandalo tany amin’ny distrikan’i Betroka nandritra ny 15 andro ny tenako, hoy Randrianasolo Ernest D’Gary mpanakanto fanta-daza manerantany amin’ny fitendrana gitara, ka nahita marina sy nanadihady ny zava-misy tany an-toerana.
Hitako ny olan’ny mponina any amin’ity distrika ity ka vonona ny hanampy ireo bado any an-toerana, ary efa manao izany an-kira. Vonona ny handravona ny raharaha any Betroka aho. Hofoanana ny laza ratsy fa hasongadina ny maha sompitry ny faritra atsimo azy ara-bary sy amin’ny voly tongolo. Mba ahafahana manome soso-kevitra anefa dia mila jeren’ny fitondram-panjakana ifotony ny zava-misy any an-toerana. Tena mampalahelo fa raiki-tahotra tanteraka noho ny afitsoky ny dahalo ny mponina any ka tsy mety miteraka any amin’ny hopitaly intsony. Ny vahaolana ho an’i Betroka dia hatao haza lambo ireo mpimasy mamatsy ody ireo malaso ka mahatonga azy ireo tsy hatahotra ny ho faty. Foanana ny fanavakavahana ara-poko misy any an-toerana. Ny dina Fanambara hitambaran’ny rehetra no tokony hampiharina any an-toerana fa tsy ny dinan’i Mangoky mampisara-bazana. Nanampy izany ny Capitaine de vaisseau misotro ronono, Randrianasolo Jean Charles zanak’i Betroka, tamin’ny filazana fa aoka tsy ny fitondram-panjakana no lotoina noho ny tsy fandraisan’ny hafa ny andraikiny toy ny Chef de groupement an’ny Zandary any Anosy sy ny commandant de compagnie ZP ao Betroka izay tokony hosoloina olona manana fijery vaovao hampandry fahalemana ny tanàna fa tsy ny solombavambahoaka izay manampy betsaka ny mponina no atao tsinontsinona lava izao. Raha atao bango tokana, mila ajanona ny fifanasana vangy manao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety fa tsy misy mahita tombontsoa velively amin’ny adiady.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.