Jiolahy iray no saron’ny polisy avy ao amin'ny PPA4 Antaniavo ny 02 martsa 2021 lasa teo tokony ho tamin'ny 11ora atoandro.
Nanendaka io tovolahy io raha araka ny fantatra izay efa tena hikoizan’ny olona eny amin'iny faritra misy ny Espace Vatomanga iny mihitsy. Polisy niasa teny amin'iny toerana iny moa no nahita ny asa ratsy nataony tamin’ny olona sendra nandalo , antony nahatrarana azy. Natolotra ny Fampanoavana ny 03 martsa lasa teo ny anaolahy ary notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.