Fandriampahalemana

Antsirabe Nahatrarana basy tamin’ny andron’i Hitler


  • Zoma 16 Martsa 2018

Basy niisa 18 no sarona tany amin’ny kaominina Bemaha tamin’ity herinandro ity. Basy vita Malagasy moa ny 16 tamin’ireo ary basy Mass 36 niaraka tamin’ny bala 9 sy P.A, tamin’ny andron’i Hitler miaraka amin’ny bala 9mm niisa 3 ary bala amin’ny basim-borona niisa 13 hafa.

 

 Olona 19, izay voalaza fa mpanara-dia omby very no notanana niaraka tamin’ireto basy sy bala ireto satria nosamborina noho ny fitondrany ireto fitaovam-piadiana ireto izy ireo. Raha ny fanazavana nomen’ny kaomandin’ny Zandary Vakinankaratra, ny Kolonely Rasambomanana Yvon Patrick moa dia nisy tokoa ny halatra omby ny zoma 9 martsa lasa teo ka ny alahady 11 martsa no nampandre ny zandary ny fokonolona, ka nanara-dia tokoa ireto olona ireto saingy ny fitazonana basy tsy ara-dalàna no hitazonana azy ireo. 

Caius R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT