Fandriampahalemana

Antohomadinika Ankizy tsy ampy taona roa tratra nanendaka


  • Zoma 24 Aprily 2020

Ankizy roa vao 16 sy 17 taona monja no tratran’ny polisy saika hanendaka tetsy amin’ny toby fiantsonan’ny taxibe etsy Antohomadinika ny alarobia lasa teo, toerana izay marihina fa mahavaivay tokoa.

 

 

 

 

 Raha ny vaovao avy amin’ny polisy dia saika hanendaka mpandeha an-tongotra iray izy roalahy ireto no hitan’ny polisin’ ny boriborintany fahaefatra izay nanao fanamiana sivily ka avy hatrany dia nosamboriny. Tsy ny mpandeha an-tongotra ihany no hanaovan’izy roalahy ireto ny asa ratsiny fa na ireo mpandray fiara eny an-toerana aza dia lasibatr’izy ireo avokoa, raha araka ny fanadihadiana natao azy. Nentina avy hatrany tany amin’ny paositry ny polisy moa izy roalahy ireto halaina am-bavany sy miandry ny fotoana hitsarana azy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT