Lehilahy iray 31 taona no tratra nanendaka teny amin’iny faritra Mascar sy Andravoahangy iny andro vitsy lasa izay. Findain’olona mpandalo no nalainy
nandritra izany ka teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy izy no tratra. Avy hatrany dia nentina namonjy ny biraon’ny polisy ny lehilahy natao fanadihadihana. Niaky ny heloka vitany izy nandritra izany ka natolotra ny fampanoavana ary efa naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.