Tokatranona mpivarotra iray no notafihan'ny jiolahy tao Antanimenakely ka lasa tamin'izany ny "01 télévision écran plat 32 pouces, 01 amplificateur, 01 lecteur de disque".
Zandary mipetraka eny amin'ny manodidina no nampandre haingana ny Komandin'ny Tobim-paritry ny Zandarimaria ao Fenoarivo ka nandefa zandary hanao vonjy taitra miaraka amin'ireo zandary avy ao Ampitatafika sy ireo mponina tao an-toerana. Raikitra ny fanenjehana; nitifitra tamin'ny basy poleta Makarov ireo jiolahy nefa tsy nampihemotra ireo zandary izany. Nahery vaika ny fifandonana tamin'ireo jiolahy mitam-basy miisa roa sy ireo zandary miaraka amin'ny mponina teny an-toerana tokony ho tamin’ny misasak'alina, raha ny tatitry ny zandarimaria. Tsy lasa lavitra akory anefa fa tratra niafina tao anaty trano sahabo ho 200m nisian'ny fanafihana ireo jiolahy. Nampiasana fahaiza-manao matihanina amin'ny hai-ady fanamborana manokana ka voasambotra ihany. Azo avokoa ireo entana halatra sy basy poleta miaraka amin'ny bala. Tsy nisy ny naratra na namoy ny ainy. Ankasitrahana ny fahaiza-manao matihanina nasehon'ireo zandary; Ankasitrahana indrindra ihany koa ny fifanomezan-tanana nataon'ireo mponina teny an-toerana. Rahefa haingana sy marim-pototra ny antso fanairana sy fanomezam-baovao dia mailaka sy ahitam-bokatra tsara ny vonjy taitra. Rano sy vary ny Vahoaka sy ny Zandarimaria ka mahay mifanampy am-pahatokisana, hoy hatrany ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.