Fandriampahalemana

ANTANIAVO ANTOHOMADINIKA Tovolahy 18 taona tratra nanendaka


  • Zoma 16 Aprily 2021

Tovolahy iray vao 18 taona monja no nosamborin’ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny PPA4 Antaniavo teny Antohomadinika ny talata 13 aprily 2 lasa teo.

 

Nanendaka sy nanao sinto-mahery izy io raha ny fantatra. Tokony ho tamin’ny 06 ora hariva teny amin’ny toby fiantsonan’ny taxibe eo Antohomadinika no nahatrarana azy. Raikitra ny fifanenjehana nandritra izany. Nandritra ny fanadihadiana natao ity tovolahy ity moa dia niaiky ny heloka vitany izy fa efa hatramin’ny faha 14 taonany no efa nanao sinto-mahery teny amin’ny Arret Mahitsy, Jesosy Mamonjy ary eo amin’ny Vatomanga. Nambarany fa tamin’ity volana ity dia efa tsy latsaky ny 05 ny finday azony tamin’ireo toerana ireo. Nanondro ny namany 02 lahy ihany koa izy izay mbola karohina ankehitriny.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT