Nandritra ny telo herinandro izay nahazoana baiko tamin'ny minisitry ny Filaminam-bahoaka mahakasika ny fahitana maso ny Polisy eo anivon'ny tany amamonina ka nahasamborana olona 6,
fa ny iray no efa any am-ponja vonjimaika noho ny fihazonany fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna. Basy poleta 5 sy bala maro ary antsy maranitra sy basy vita gasy maro koa no saron'ny Polisy nandritra izany, araka ny fampitam-baovaon'ny polisim-pirenena. Nampitomboina mantsy ireo mpanao fisafoana. Tanatin'ireny paik'ady ireny no nahazoana vaovao mikasika ny ora sy ny toerana falehan'ireo olondratsy ka niandrasana azy ireny. Teo koa ny tetikady nentina niatrehana ireo faritra marefo ara-pandriampahalemana tamin’ny nanaovan'ny mpitandro filaminana fanamiana tsotra. Miray hina tanteraka ary mandrindra ny asan’izy ireo ny polisy, zandary ary miaramila mba hametrahana ny fandriampahalemana, ka misy foana ny andiany mandeha an-tongotra mitety tanàna manara-maso sy mitsirika ny zava-misy sy izay tranga mety mampiahiahy.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.