Fandriampahalemana

Antananarivo Raikitra ny “patrouille” amin’ny alina


  • Alarobia 29 Septambra 2021

Niditra an-tsehatra avy hatrany halina ireo tompon'andraikitra amin'ny ady amin'ny tsy fandriampahalemana notarihin'ny Minisitrin'ny Fiarovam-pirenena, taorian’ny fivorian’ny OMC

notarihin’ny Praiminisitra. “Manoloana ny fiverenan’ny tsy fandriampahalemana amin’ny faritra maro eto Antananarivo dia nohamafisina ny "patrouille" iraisana ary miasa ihany koa ireo fiara amin’ny fanatanterahana izany mba hiarovana ny vahoaka indrindra amin'ny alina”, hoy ny fampitam-baovao. Nanara-maso ny fametrahana izany sy ny fiparitahan’ireo miaramila, zandary ary polisy ireo Minisitra telo tonta io omaly alina io tokony tamin’ny 10 ora. Ny tanjona dia ny handrakofana ireo faritra voalaza fa mafana rehetra hahafahan'ny vahoaka miaina am-pilaminana, hoy ny fampitam-baovao. Irariana mba hiteraka vokatra, ary haharitra fa tsy sanatria hiredareda am-boalohany toy ny afo-mololo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT