Fandriampahalemana

Antananarivo- fandriampahalemana Mifarimbona manidy lalana ny mpitandro filaminana


  • Alakamisy 21 Martsa 2019

Manara-maso tanteraka ireo lalana miditra, indrindra mivoaka ny Renivohitra ireo mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao.

 

 Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny fanafihana mitam-piadiana sy fakana an-keriny izao ezaka iombonan’ny tafika sy zandary ary polisy izao. Tanjona ny hanidy ny lalana rehetra izay ivoahana ny Renivohitra, indrindra raha misy fanafihana mitam-piadiana mba hisamborana ireo mpanao ratsy mieritreritra ny ho tafaporitsaka amin’ny fanaovan-dratsy. Efa eny am-pelatanan’ireo miaramila misahana ny tetikasan’ny fandriampahalemana ny fitaovana enti-miatrika izany. Mifameno amin’ny ezaka ato anatin’Antananarivo amin’ny fidinana ifotony sy ny fisehoana tanterahin’ireo mpitandro filaminana ny paik’ady. Tsahivina hatrany fa toerana maro eto Antananarivo Renivohitra, mba tsy ilazana fa izy rehetra, no lasa faritra mena, raha Andranomanalina sy Antohomadinika ary Besarety sy Ambanidia ihany izany tany aloha. Zary mampikaikaika ny olom-pirenena hatrany ity tsy fandriam-pahalemana ity. Miandrandra ny mpanara-baovao fa hisy vokany izao velam-pandrika ifandrombonan’ireo tandroka aron’ny vozona amin’ny filaminam-bahoaka izao. Tsy azo lavina fa efa betsaka ireo tratran’ny mason’haraton’ny mpitandro filaminana fa izao tetik’ady  “opération épervier” izao koa antenaina hampihena ny tsy fandriam-pahalemana, indrindra ho fisamborana ireo trondro vaventy sy ati-doha mikotrika amin’ny fanafihana mahery vaika sy ny fanaovana kidnapping. Efa fampiasa any amin’ireo Tanandehibe any ivelany tahaka ny any Paris ity tetik’ady ity fa saingy ny “caméra de surveillance” mameno ny lalàna sy ny elakelan-trano no tsy ampy eto  Madagasikara.

Haja Nirina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT