Fandriampahalemana

Anosivavaka Maty rotiky ny bala ireo mpanao kidnapping


  • Zoma 17 Aogositra 2018

Nirefodrefotra ny basy tetsy Anosivavaka Ambohimanarina omaly takariva tokony ho tamin’ny 6 ora.

 

Tsy nisy nahalala firy izay tena antony ny teny amin’ny manodidina, fa raha ny vaovao azo avy amin’ny mpitandro ny filaminana kosa, dia fifandonana teo amin’ny polisin’ny USI (Unité Spéciale d’Intervention), GSIS (Groupe de Sécurité et d'Interventions Spéciales) an’ny zandarimaria an-daniny ary jiolahy voalaza ho mpaka an-keriny an-kilany no nifanehatra.  2 no maty tsy tra-drano ary iray kosa azo sambo-belona, ary iray hafa tafaporitsaka. Raha ny fizotry ny raharaha, efa ny marainan’ny omaly ireo jiolahy mpanao “kidnapping” ireo no narahi-maso akaiky, saingy ny hariva vao niroso tamin’ny fisamborana niafara tamin’ny tifitra variraraka ny mpitandro ny filaminana satria nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika ireo olon-dratsy. Ny basy nirefodrefotra no nanaitra sy nampihoron-koditra ny maro, ary nahafaty ireo roa rehefa tratry ny tifitra variraraka tao anatin’ny fiara nentin’izy ireo, izay ny iray teo amin’ny familiana, ary ny iray teo anilany. Bala maherin’ny folo no niantefa tamin’ny fitaratra anoloana fotsiny, ary feno diam-bala ny vatan’ny fiara.   Basy mahery vaika marika Kalachnikov amin’ireny azo aforitra ireny miisa 2, miampy basy poleta PA iray, ary fitoeram-bala na “boite à chargeur” miisa 9 no sarona tamin’ireto jiolahy ireto taorian’ny sakoroka, izay midika fa efa tena tambajotra matanjaka sy hary fitaovana izy ireo. Lavo ny ampahany amin’ireo jiolahy mahery vaika izay azo antoka fa olona manan-katao na manampahefana mihitsy no tena atidoha. Hivoaka ao anatin’ny fanadihadiana ve ilay iray azo sambo-belona ? Sa ny trondro madinika ihany no hanefa ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT