Fandriampahalemana

Anosivavaka Ambohimanarina Tratra ilay mpanendaka sy mpanararaotra vehivavy


  • Zoma 24 Jona 2022

Lehilahy iray, 31 taona no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny CSP6 Ambohimanarina omaly Alakamisy 23 jona tokony ho tamin’ny 10 ora maraina.

Nanositosika io vehivavy io izy no sady nanararaotra nangarom-paosy, tranga niseho teo amin’ny toby fiantsonan’ny taxibe faritra Anosivavaka Ambohimanarina. Anisan’ny fomba fiasan’ity mpangalatra ity raha araka ny fanazavany ny mody miara-miakatra amin’ireo mpandeha ho ao anaty zotra 162 ka mandritra izany no hanaovany ny asa ratsiny.Roalahy izy ireo no miara-misisika ary ataony eo afovoany ny olona kinendriny. Nandritra izany no hanatsofohany ny tanany any anaty kitapo izay nahazoan’izy ireo ny vola mitentina 700.000 ar tao anatiny. Nidina teo amin’ny fiantsonana manaraka ny Sanifer kosa izy ireo rehefa nahazo izay ilainy ary niampita tamin’ ny taxibe iray hafa 194 izay zotra mandeha mifanohitra amin’ilay zotra 162. Niantso Polisy avy hatrany moa ilay vehivavy ka tra-tehaka ny iray tamin’izy ireo raha tafatsoaka kosa ny namany hafa.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT