Fandriampahalemana

Ankazondandy Novonoina avy eo natsipy tany anaty rano ilay tovolahy


  • Talata 02 Novambra 2021

Nitrangana vono olona feno habibiana tany amin’iny faritra Ankazondandy iny ny faran’ny herinandro teo.Tovolahy kely iray vao erotrerony no lasibatra tamin’izany.

 Nodarohany Ratompokolahy ary notaperiny ny ainy taorian’izany vao natsipy tany anaty Reniranon'i Mananara. Raha araka ny fantatra dia avy namonjy raharaham-pianakaviana izy no izao nisy namono izao, an-dalana handeha hamonjy fodiana. Jiolahy maromaro no fantatra no nifandrombaka taminy sy nanafaka ny ainy ary dia natsipin’izy ireo tany anaty rano ny vatana mangatsiakany avy eo. Efa misokatra moa ny fanadihadiana hataon’ny zandary any an-toerana.
Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT