Tovolahy iray nanao fanamiana mpitandro ny filaminana nitondra moto, tsy nanao aroloha fa ireny saron-tava ( cagoule ) ireny no nosakanan’ny polisy rehefa nandalo teny Ankazomanga, omaly.
Rehefa nojerena ny momba azy dia niaiky ity farany fa tsy mpitandro ny filaminana izy fa "agent de sécurité" ao amina orinasa iray eto an-drenivohitra. Nentina avy hatrany teny amin'ny Paositry ny polisy moa ny tovolahy natao fanadihadiana. Raha ny fihetsiny moa dia nihevitra ny tsy hosakanan’ny mpitandro ny filaminana izy nandritra izany nefa toa vao mainka nisarika ny rehetra ny fahitana azy tsy nanara-dalana no sady nanao cagoule izay tena manaratsy endrika ny mpitandro ny filaminana tokoa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.