Raim-pianakaviana mpandraharaha iray no maty notifirin’ny jiolahy teo amin’ny masony tao an-tokantranony ny zoma misasakalina lasa teo, teny Ankadikely Ilafy, distrikan’Avaradrano.
Jiolahy nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika no nanao an-keriny niditra teo am-bavahadiny ary tafatsofoka hatrany amin’ny efitrano fandriany, raha araka ny fantatra. Maty teo no ho eo ity raim-pianakaviana ity izay marihina fa tompona orinasa afaka haba iray eny an-toerana. Tamin’io zoma misasak’alina io ihany dia efa roso tamin’ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo nahavanon-doza ny mpitandro ny filaminana. Tafakatra enina sahady ireo notazonina vonjimaika ary hanaovana fanadihadiana hatramin’ny sabotsy hariva. Tsiahivina moa fa tafiditra anaty faritra mena ny kaominina Ankadikely Ilafy ankehitriny. Vao tsy ela ihany koa mantsy izay no nisiana vaky fasana roa mahatsiravina teny an-toerana, nahaverezana taolambalo marobe niaraka tamina vato sarobidy maro isan-karazany. Hetahetan’ireo mponina eny Ankadikely Ilafy, araka izany, ny tokony hijeren’ny Fitondram-panjakana akaiky ny zava-misy iainan’izy ireo eny an-toerana hahafahany miatrika amim-pitoniana ny fiainany amin’ny andavanandro. Tsy mbola nahitana mangirana moa ity raharaha vaky fasana ity hatreto.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.