Fandriampahalemana

Anjozorobe Mirongatra isam-pokontany ny asan-dahalo


  • Alarobia 27 Janoary 2021

Mirongatra ny asan-dahalo any amin’ny kaominina ambanivohitra Marovazaha, distrikan’Anjozorobe.

 

 

 

 

Saika lasibatra avokoa ny Fokontany 24 isa raha araka ny fanazavan-dRakotondrainy, Ben’ny Tanàna any an-toerana. Asesin’ireo jiolahy ireo tokantrano sendra azy hitadiavany vola sy fananana. Misy mikatsaka sy mitady vehivavy haolana mihitsy aza ny sasany, antony manosika ireo zaza amam-behivavy hatory any an-tsaha rehefa alina ny andro. Tsy nitazam-potsiny manoloana izany ny Fitondram-panjakana fa nametraka ny kaomisarian’ny polisy any an-toerana, foto-drafitrasa vaovao vao natsangana.Afak’omaly no notanterahina ny fametrahana ny vato fototry ny asa, natrehin’ny lehiben’ny distrikan’Anjozorobe. Nambaran’ity farany tamin’izany fa ny hampandry fahalemana ny vahoaka no tena tanjon’ny Fanjakana, indrindra ao anatin’izao maitso ahitra, fotoana tena manahirana ny vahoaka izao. Ankoatra ny tsy fandriampahalemana moa dia mampitaraina fatratra ireo mponina ao amin’ity kaominina ity ihany koa ny haratsian’ny lalam-pirenena fahatelo ka tsy hahafahan’izy ireo mamoaka vokatra sy mifandray amin’ireo faritra manodidina azy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT