Fandriampahalemana

Anjomaha Tanambao II Nisandoka ho mpitandro ny filaminana ireo mpanendaka


  • Alakamisy 03 Aogositra 2023

Aleo mailo hatrany amin’izao rehefa mahita olona kaodikaody sy hafahafa fihetsika mitonona ho mpitandro ny filaminana.

Lehilahy miisa roa 22 taona sy 23 taona no tratra nitonona ho mpitandro ny filaminana tao Tanambao II Toamasina omaly Alarobia 02 aogositra tokony ho tamin'ny 02 ora maraina. Olona sendra nandalo teo Anjomaha no nosandohan’ ireto olon-dratsy ireto tamin'ny asa ratsiny. Mody nosakanany izy ireo ary mitonona ho mpitandro ny filaminana izy roalahy amin’izany. Hanendaka anefa no tena anton-dian’izy ireo saingy miandry ireo olona hatahotra azy fotsiny. Niantso Polisy avy hatrany anefa ireto farany ka voasambotra izy roalahy. Noentina avy hatrany teny amin'ny biraon'ny polisy izy ireo nanaovana fanadihadiana. Fantatra fa tsy mpitandro filaminana velively izy roalahy fa fomba iray nentina hanakanany ireo izay saika hoendahiny izany. Mbola karohina moa ireo naman’izy mirahalahy hafa zatra ny lalan-dririnina mpanao ity asa ratsy ity ao Toamasina.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT