Fandriampahalemana

Anjanahary Manao sesilany ny vaky trano


  • Alakamisy 17 Febroary 2022

Maro ny fitarainan’ny mponina eny amin’iny faritra Anjanahary iny noho ny resaka vaky trano izay nanao sesilany tato ho ato.

Nanao hetsika araka izany ny Polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo etsy Antaninandro ka lehilahy iray 33 taona no voasambotry ny Polisy teny amin’ny lalana Anjanahary akaikin’ny fiangonana katolika ny omaly alarobia 16 febroary tokony tamin’ny 2 ora sasany maraina. Polisy nanao fisafoana teny an-toerana no nahatsikaritra ity lehilahy iray ity izay mampiahiahy. Rehefa nahatazana ny Polisy ity farany dia nirifatra nitsoaka avy hatrany ka niroso tamin’ny fisamborana ny Polisy. Rehefa nosavaina izy dia nahitana « pied de biche » 01 teny aminy. Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy ny lehilahy nanaovana fanadihadiana. Tamin’izany no nanekeny ny heloka vitany ka nilazany fa azy io fitaovana io izay hanatanterahany ny asa ratsiny.
Pati
Legende : Ity ilay lehilahy tratra teny Anjanahary
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT