Voasambotry ny polisin'ny "Brigade Criminelle" sakelika faha-03 eo Anosy ny alahady 03 may teo ireo lehilahy miisa 04 nanao fanafihana nitam-piadiana izay niseho teo Androhibe Analamahitsy ny sabotsy 25 aprily lasa teo.
Mpivady iray tompona orinasa teo Androhibe Analamahitsy saika handeha hanome ny karaman'ireo mpiasa no niharan'ny asa ratsin'ireto jiolahy ireto. Rehefa tonga tamin'ny fiara teo amin'ny vavahady miditra ao amin'ity toeram-piasana ity izy mivady dia nisy lehilahy miisa 04 nitaingina moto miisa 02 efa niandry azy. Vao nijanona teo amin'ny vavahady ny fiaran'izy mivady dia nodondomin'ireo jiolahy tamin'ny basy ny varavarana fitaratry ny fiaran'izy ireo. Noho ny fatahorana dia nosakafan'izy ireo ilay fitaratra. Vao nisokatra anefa ilay fitaratra dia nasain'ireo jiolahy navoaka ny vola tao anatin'ilay fiara sady nandraona tamin'ny basy ireto farany. Vokatry ny tahotra sy fandrahonana dia nomen'izy mivady ireto jiolahy ny lela vola mitentina 14 000 000 ariary saika nanomezana ny tambi-karaman'ireo mpiasa. Vao nahazo ny vola ireo jiolahy dia nirifitra nitsaoka tamin'ny moto. Nampandreha ny polisy avy hatrany izy mivady rehefa lasa ireo jiolahy. Fotoana fohy anefa dia tonga ny polisy nanao ny fanadihadihana sy ny fikaroana. Nandritra ny "ratissage" nataon'ny polisy teny amin'ny manodidina dia nisy lehilahy iray nanao fihetsika nampiahiahy no tsikaritry ny polisy teo Belanitra Ilafy ka notazomina avy hatrany nanaovana fanadihadihana. Tsy nisalasala ity lehilahy ity nanondro ny toerana nisy ireo jiolahy nanao ny fanafihana nandritra izany. Fantatra tamin'izany fa tao Belanitra Ilafy ihany no nisy ireo jiolahy ka nidina teny an-toerana ny polisy ny alahady 26 aprily nisambotra ireo jiolahy 03 lahy nanao ny fanafihana. Fantatra nandritra ny fanadihadihana fa isan'ny tompon'antoka tamin'ity fanafihana ity ihany koa ity lehilahy voasambotra nandritra ny "ratissage" ity aty ny 03 tamin'ny 04 voasambotra dia efa nifonja avokoa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.