Fandriampahalemana

Andranomandevy Antsirabe Maty voatifitra teo amin’ny tratrany ilay jiolahy nikoizana


  • Talata 03 Mey 2022

Lehilahy iray no lavon’ny balan’ny Polisin’ny UIR ao Antsirabe ary iray kosa azo sambo-belona ny 01 mey lasa teo tokony ho tamin’ny 06ora hariva teny Andranomandevy noho ny fandrahonana ho faty.

Vantany vao nandrahona ilay olona ity lehilahy lavon’ny bala ny UIR ity dia niantso avy hatrany ny Polisy ao amin’ny Commissariat Central Antsirabe io olona io. Tonga avy hatrany teny an-toerana ny Polisin’ny UIR nijery ny zava-nisy ka nosamborina avy hatrany ity lehilahy ity. Rehefa izy teo an-tanan’ny Polisy dia mbola nikasa ny nandositra ka nanao tifi-danitra ny Polisy ho fampitandremana azy nefa tsy nijanona ihany ilay ranamana. Voatery nitifitra ireo polisy ka voatifitra teo amin’ny tratrany ity lehilahy ity. Marihana fa miisa telo izy ireo no nanao izao fandrahonana izao tamina toerana fisotroana zava-pisotro mahamamo iray. Rehefa lavo io lehilahy io dia voasambotra tsy lavitra teo ihany koa ny namany iray ary tafaporitsaka kosa ny namany fahatelo hafa. Efa naterina eny amin’ny tranom-paty ny razana ary noentina teny amin’ny kaomisaria ilay namany azo sambo-belona hanaovana famotorana. Marihana fa efa dahalo ikoizana ity maty voatifitra ity ary efa gadra nandositra tao amin’ny fonjan’Antsirabe ny volana novambra 2021 ka izao tratra izao. Mitohy ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay jiolahy maty voatifitra

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT