Fandriampahalemana

Andohatapenaka Jiolahy mpanakan-dalana iray no matin’ny polisy


  • Alatsinainy 14 Jona 2021

Jiolahy iray lavon’ny balan’ny polisy, iray hafa azo sambo-belona. Io no vokatry ny hetsika nataon’ny polisy nisamborana ireo andian-jiolahy

 

 

 

nitondra basy sy antsy lava nanao sakan-dalana tamin'ny alalan’ny sarety miisa 03 teny Andohatapenaka ny faran’ny herinandro teo. Taxibe nitondra mpivarotra legioma vao maraina no tratran'ity sakana ity ka lasan'izy ireo tamin'izany ny vola sy firavak'ireo olona tao anaty fiara. Fotoana fohy taorian'io anefa raha tsiahivina kely ny tantara dia tonga teny an-toerana ny Polisy ary mbola tsy lasa lavitra ireo jiolahy hoy ireo olona voatafika. Raikitra ny fanenjehana teny Ankasina no hita ireto andian-jiolahy ireto . Nisy ny fifandonana teo amin'ny roa tonta ka lavo tamin'izany ny jiolahy iray nitondra basy. Azo sambo-belona kosa ny iray hafa raha tafaporitsaka kosa ireo jiolahy miisa roa. Fantatra ihany koa fa ankoatra ireo antsy lava nentin'ireo olon-dratsy ireo dia mbola basy kilalao indray no nentin'ireo jiolahy nanao ny asa ratsiny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT