Fandriampahalemana

Andoharotsy kaominin’i Vineta any Sakaraha Nitrangana vono olona nahatsiravina


  • Talata 27 Novambra 2018

Famonoana mahatsiravina no natao tamin’ny zanak’i Sazalahy Tsianihy filohan’ny DISTIM Atsimo Andrefana sy ny vadiny tao amin’ny fokontanin’Andoharotsy kaominina ambanivohitr’i Vinesta Distrikan’i Sakaraha tamin’ny alahady 25 novambra 2018 maraina.

 

 

 

Nisy fanafihana nataona andiana olona maromaro naharitra adiny iray mahery tao amin’ity fokontanin’Andoharotsy ity. Niditra tao amin’ny trano fivarotan’izy mivady voalaza ery ambony ireto jiolahy ka notifiriny avy hatrany izy ireo. Diam-bala maro no hita teny amin’ny tratra sy fon’ilay lehilahy zanak’i Sazalahy Tsianihy fa ireo bala kosa dia niantefa tany amin’ilay ramatoa vadiny avokoa ary mbola notapahin’ireo jiolahy koa ny tanany avy eo. Noraofin’ireo jiolahy avokoa ny entam-barotr’izy mivady niaraka tamin’ny volabe “versement herinandro” izay hitany tao amin’ilay toeram-pivarotana dia nodoran’izy ireo koa avy eo ilay toeram-pivarotana sy izay entana tsy zakany. Mifandresy lahatra amin’ny fampiharana ny Dinabe amin’ity resaka ity ny fokontanin’Andamasiny sy Antranokaky ary Behena mpifanolo-bodirindrina amin’Andoharotsy nefa dia ity farany no heverina fa nampiantrano an’ireo jiolahy ary mety ahitana mpifandray tendro amin’izy ireo koa. Misokatra ny fanadihadiana amin’ity vono olona mahatsiravina ity.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT