Fandriampahalemana

Andohanimandroseza Voasambotra nandritra ny fisafoana ireo mpamaky trano


  • Sabotsy 02 Mey 2020

Lehilahy efatra no voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP2 Ambohijatovo nandritra ny fisafoana izay natao teny amin’ny

 

 

faritr’Andohanimandroseza ny zoma 01 mey teo noho ny resaka vaky trano. Tokony ho tamin’ny 04 ora maraina no nandalo tamin’iny faritr’Andohanimandroseza iny ireto mpanao fisafoana ireto. Tamin’izany indrindra izy ireo no nahatsikaritra lehilahy maromaro milanja entana mavesatra. Nosakanana avy hatrany izy ireo saingy nandositra raha vantany vao nanatona ny polisy. Raikitra ny fifanenjehana ka lehilahy miisa 4 no voasambotra raha toa ka tafaporitsaka kosa ny 2. Fitaovana maro fampiasa ao an-tokatrano toy ny « four électrique 01, commode en cuir 01, bouteille à gaz 25kg 01 » no tratra teny amin’ireto olon-dratsy ireto ary vary 28 lasaka milanja 30 kilao isany no nafenin’izy ireo tamina lobolobo tsy lavitry ny toerana nahasamborana azy ireo. Nandritra ny fanadihadiana azy efa-dahy ireo no nahafantarana fa trano lehibe iray eny Andohanimandroseza no novakian’izy ireo tamin’io fotoana io raha sendra tsy tao an-toerana ny tompon-trano. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo tafatsoaka.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT