Fandriampahalemana

ANDAVAMAMBA Mpanao gazety nendahina jiolahy miisa 4


  • Zoma 27 Aogositra 2021

Mpanao gazety mpaka sary iray no fantatra fa niharan'ny halatra nataona jiolahy miisa efatra omaly tokony ho tamin'ny 4 ora sy sasany maraina, teny Andavamamba, lalana rarivato na « pavé » mihazo an'Anosipatrana.

Handeha hamita iraka any Antsirabe ilay mpanao gazety nandritra izany ka saika haka ny namany mpanao gazety iray mipetraka eny Andavamamba no izao lasibatry ny jiolahy izao.Nandeha taxi moa izy ireo ka lasibatra ihany koa ilay mpamily.Novelesin’ireo jiolahy tamin'ny vodibasy poleta teo an-tampon-dohan’ity farany. Nalain'izy ireo koa ny findainy sady no nasainy nivoaka ny fiara ity mpamily.Tsy nivoha kosa ny varavarana teo amin'ilay mpanao gazety ka nitsofoka avy eo amin'ny varavaran'ny mpamily sy avy aoriana ireo jiolahy mpandroba. Nalain'izy ireo kosa ny firavaka volafotsy teny an-tendany, niampy ny sakaosiny misy fakan-tsary sy solosaina hampiasaina ary vola. Avy eo, mbola nodarohan'izy ireo tamin’ny vodibasy ihany koa ny firifany havanana.Nisy peratra volamena 2 teny an-tanany. Ny 1 (chevalier) izay lasan'ireo jiolahy. Saika hotapahan'izy ireo tamin’ny antsy moa ny rantsan-tanan’ilay mpanao gazety misy ilay peratra 1 ambiny.
Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT