Fandriampahalemana

Analamahitsy Ireo mpanendaka mampiasa moto indray no hazain’ny polisy


  • Alakamisy 11 Aprily 2019

Efa manana ny tetikadiny ireo mpitandro filaminana manoloana ireo mpitondra fiara kodiaran-droa manakan-dalana eny Analamahitsy, indrindra manomboka takariva. «Handray ny fepetra amin’ireo

 

 

 

 

mpitaingina moto manenjika fiara sy mikasa hanao asa ratsy izahay. Amin’ny ankapobeny, efa voafehy tanteraka ireo mpanendaka mandeha an-togotra manatanteraka ny asa ratsiny amin’ny olona anaty fiara miakatra avy aty Andranobevava hihazo an’Analamahitsy, mandritra ny fitohanana. Efa any am-ponja ny ankamaroan’izy ireo ary ireo tafaporitsaka tsy sahy intsony satria nanova paik’ady maro hatrany izahay nanamborana ireo tafiditra tao anaty haratonay. Hojerenay akaiky ity endrika vaovao fandrobana fandehanana fiara ity izay ataon’ireo olon-dratsy mpitondra “scooter” saingy tsy ambara etoana ny tetika.” Io no fanambaran’ireo polisy nitafa manokana

tamin’ny mpanao gazetinay izay miandraikitra ny faritra Analamahitsy. Araka ny angom-baovao azo, misy vitsivitsy ireo mpampiasa iny lalana iny no efa notandindomin-doza. Mitantara ny lehilahy iray efa tojo ny tranga. “Manomboka eo amin’ny “rond point Masay”, misy roalahy manaraka amin’ny moto, mibahambahana eo aloha ka raha miahotra na mijanona dia avy ireo mpanao ratsy ireo. Mila hidina mandrakariva ny varavaran’ny fiara. Efa voamarina fa mpanendaka ireo, ary manaraka hatrany Ambatobe na Ambohitrarahaba. Tsahivina anefa fa anisan’ny faritra milamina ny eny Analamahitsy araka ny saritany sy ny tranga, raha ampintahaina amin’ireo faritra hafa, hoy hatrany ny tompon’andraikitra eo anivon’ny polisim-pirenena izay misahana ny boriborintany fahavalo ka azo antoka fa hofehezin’ireto farany ity raharaha ity.

 

Haja Nirina

 

Mampitaraina ireo mpampiasa lalana ny fanarahan-dia sy fibahanan’ ireo olon-dratsy mpitondra scooter eny Andranobevava sy Analamahitsy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT