Fandriampahalemana

Ampasika Mpanendaka roalahy tratra tany an’elakelantrano


  • Talata 07 Desambra 2021

Lehilahy miisa roa 23 taona sy 32 taona no tratran’ny Polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny Boriborintany fahafito teny an’elakelantranon’Ampasika ny 05 desambra lasa teo,

 tokony ho tamin’ny 11ora sy sasany alina. Olona tsara sitrapo no nanome vaovao azy ireo ny amin’ny fisiana andiana olona manendaka sy mangalatra eo akaikin’izy ireo.Tamin’ny alalan’ny fisafoana mandeha dia an-tongotra eny amin’iny faritra Andohatapenaka sy ny manodidina iny araka izany no nahatrarana azy ireo. Nijery sy nanamarina ny vaovao ireo mpitandro ny filaminana ka tratra tamina elakelatrano iray tsy lavitra ny arabe izy roalahy ireto. Rehefa natao ny fisavana dia mbola nahatrarana antsy lava lela teny amin’izy ireo. Avy hatrany dia nentina teny amin’ny kaomisarian’ny 67ha ireto farany nanaovana fanadihadiana.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT