Fandriampahalemana

Ampandrana Vehivavy roa sy lehilahy iray tratra avy namaky trano


  • Alatsinainy 21 Novambra 2022

Lehilahy miisa roa sy vehivavy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny Boriborintany fahatelo ny Zoma hifoha Sabotsy teo tokony ho tamin’ny 2ora latsaka fahahefany maraina teny Ampandrana rehefa namaky trano.

 Polisy nanao fisafoana no nahatsikaritra olona telo mivimbina gony no sady mampiahiahy ny fihetsiny. Rehefa nahatazana ireo polisy ireto olon-dratsy dia saika hitsoaka ka raikitra ny fisamborana. Tra-tehaky ny polisy izy telo mianadahy noho izany ka rehefa nosavaina ireo gony dia kilalao sy kiraro ary kojakojan-dakozia maro isan-karazany no hita tao. Noentina avy hatrany teny anivon’ny biraon’ny Polisy izy ireo nanaovana fanadihadiana ka hiakatra fitsarana anio Alatsinainy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy telo mianadahy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT