Fandriampahalemana

Ambohitrarahaba Noloarana ny mason’ilay zazalahy, nalaina an-keriny ny anabaviny


  • Alarobia 11 Oktobra 2017

Hita teny Ambohitsimeloka, Ambohidratrimo Anosiala omaly hariva Razafindrazaka Hiancy, tovovavikely vao 6 taona nisy naka an-keriny teny Ambodivary Ambohitrarahaba.

 Nisy nahita tany anaty kirihitr’ala izy ary naterina avy hatrany teny amin' ny biraon'ny zandary teny an-toerana. Nahitana kitapo kely teny aminy ary nisy voamaso roa tao anatin'ilay kitapo, voamaso izay heverina fa an’ilay anadahiny. Raha hiverenana ny zava-nitranga talohan’izao dia nisy zaza mianadahy zanaka olona miasa amina fikambanana iraisam-pirenena iray eto Antananarivo monina eny Ambodivary Ambohitrarahaba. Tsy mianatra izy ireo amin'izao ka napetraky ny ray aman-dreniny tao an-trano noho izy mivady miasa.

Famaky sy antsy

Nony tonga anefa ny hariva tokony tamin' ny 4 ora rehefa avy niasa izy ireo dia taitra nahita ny vavahady zara fa nihidy, ary talanjona nijery ny "rideau" tao amin' ny efitrano fatorian' ireo ankizy toa tsy misokatra. Niditra ny trano izy ireo ka nahita ny fatin'ny zanany lahimatoa nifatotra amin’ny tadin'ny akanjon'ny mamany ary efa tsy nisy aina intsony. 12 taona izy, zokin’i Hiancy. Famaky sy antsy no namonoana azy, tena tamin'ny fomba feno habibiana tokoa.  Raha ny nambaran’ny mpitsabo tonga nizaha ny razana dia tokony ho tamin' ny 10 ora maraina no tapitra ny ainy ary efa nanomboka mafy ny vatana mangatsiakany io hariva io. Tsy fantatra ny anton’izao vono olona sy fakana an-keriny izao, indrindra ny dikan’ilay voamaso roa tao anaty kitapo. Efa misy ny vaovao voarainay ary mandeha ny fikarohana, hoy ny zandarimariam-pirenena raha nantsoina an-telefaonina halina ka ho hita eo ny tena marina. Raha ny resaka mandeha dia nanana olana tamin’ny mpanampy tao an-trano ka nandroaka io mpanampy io izy mivady mialoha izao loza nitranga izao.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT