Fandriampahalemana

Ambohimirary Vehivavy iray hita faty efa tsy nisy taova intsony


  • Alarobia 03 Jona 2020

Nampalahelo ny zava-nitranga teny Ambohimirary ny alatsinainy teo. Ramatoa iray manodidina ny 44 taona no hita faty teny an-toerana izay efa tsy nisy taova intsony.

 

 

 

 

Tsy hita teo aminy intsony ihany koa ny ratsam-batany toy ny tongotra sy ny tanana raha karan-doha sy taolana kely sisa no tavela. Mponina eny Ambohimirary ihany izy io raha araka ny fantatra ary mpanasa lamba no asany. Vao tamin'ny alahadin’ny pentekosta teo tamin’ny 7 ora hariva no nahitan'ny fianakaviana io vehivavy io farany ary efa mamo izy tamin'ny fotoana niala tao an-tranony raha araka ny fantatra hatrany. Tombanan’ireo olona eny amin’ny manodidina ho nohanin’ny biby moa Itompokovavy raha ny mpitandro ny filaminana irery no afaka ny hamaritra izany. Efa misokatra ny fanadihadiana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT